Latsaka an-katerena ny firenena

«Aoka ny fitondram-panjakàna hitandrina amin’ireo findramam-bola!»


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Rehefa miresaka vola indramina amin’ireo mpiara-miombon’antoka hoe mifandraika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara

dia tsy misy maha ratsy izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane. Latsaka an-katerena tsinona, hoy izy, ny firenena ary iaraha-mahalala fa tsy manam-bola ny fitondram-panjakàna. Rariny raha hihindram-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka, eny fa na dia atao hoe fifanarahana amina firenena miisa 2 fotsiny aza. Indrindra moa fa hoe fifanarahana marolafy na «coopération multilatérale» toy ny hita ankehitriny. Ny tsy hintsiny fotsiny dia hoe tena hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka ve ilay izy sa ho lasa ho baben’ny firenena malagasy sy ny vahoaka eto Madagasikara? Marina fa atontona amin’ny fotodrafitrasa. Tsy azo lavina izany satria manana ny tetikasany ny fitondram-panjakàna. Ilay vola atontona amin’ny fotodrafitrasa ve tena amina fotodrafitrasa hipaka amin’ny fiainam-bahoaka? Matiantoka tsinona ny vahoaka malagasy raha tsy izay! Miandry ny tamberinandraikitra avy amin’ny mpitondra ireo vahoaka ireo taorian’ireny fampanantenana tamin’ny propagandy ireny. Aoka ny fitondram-panjakàna hitandrina amin’ireo findramam-bola atao amin’ireo mpamatsy vola ary tokony hipetraka ny laharam-pahamehana amin’ireo izay tetikasa entina hampiasana ireny vola ireny! Rehefa tsy izay no zava-mitranga dia lasa latsaka an-katerena foana ny firenentsika satria babentsika mandritry ny 50 taona na mahery mihitsy aza ireny trosa ireny. Ny dikan’izay dia tsy izao fitondràna izao ihany no hibaby azy fa izay fitondràna hifandimby eo. Ny anjara andraikitry ny solombavambahoaka dia mijery ireny findramam-bola atao amin’ny mpiara-miombon’antoka ireny. Ry zareo tsinona no mahalala ny maharary ny vahoaka any amin’ny distrika nahalany azy ireo avy. Raha tsy mijery izay laharam-pahamehana any amin’ny distrika nahalany azy avy izay ny solombavambahoaka dia mazava ho azy fa tsy misy ilay tamberin’andraikitra andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo ihany koa. Mila mitandrina isika vahoaka amin’ireo olona nomentsika fahatokisana hitondra ny feontsika eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Ny mahagaga sy mitranga dia ny tombontsoan’ny fitondràna no arovan’ireo solombavambahoaka fa tsy ny tombontsoan’ny vahoaka. Izay rahateo no mahatonga antsika leo politika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT