Lasibatr’i Dikeledi ny tapany Avaratra

3 maty, 1700 traboina, trano 330 dibo-drano


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Na efa nivoaka an-dranomasina aza ny Rivodoza Dikeledi, henjana ny takaitra navelany tany amin’ny tapany Avaratry

ny Nosy iny. Araka ny tatitry ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC omaly 12 janoary tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro, dia tafakatra 3 ireo olona namoy ny ainy. 01 tao amin'ny Kaominina Rantabe, 01 tao amin'ny Kaominina Ambodimanga, Distrikan'i Maroantsetra. Lehilahy 33 taona, mpampianatra hamonjy vady aman-janaka ity namoy ny ainy ity. 01 hafa leholahy 54 taona tao amin'ny Kaominina Anivorano Nord, Distrikan'i Antsiranana II. Tafakatra 1 702 ihany koa ny olona traboina (398 tokantrano) tamin’io fotoana io: 11 olona ao amin'ny Faritra Analanjirofo, 641 olona ao amin'ny Faritra Diana, 1050 olona ao amin'ny Faritra SAVA. Miisa 257 IREO olona nafindra toerana (52 tokantrano): 239 tao Vohemar, 12 tao Ambilobe, 6 tao Nosy Be. Terana 5 fandraisana ireo traboina no mbola miasa amin'izao fotoana izao. Tafakatra 330 ny trano dibo-drano, 58 ny trano simba, 10 ny trano rava tanteraka. Tapaka vonjimaika ny RN 6 tao amin'ny PK 537+329 noho ny hazo nianjera tamin'ny 12 Janoary 2025 tamin'ny 03 ora maraina. Nitohana ny fifamoivoizana eo amin'ny toerana fiampitana (gué) ao amin'ny PK 174+500 ny RN 5 A, Fokontany Manambery Kaominina Ampondra, Distrikan'i VOHEMAR noho ny fiakaran'ny rano omaly 12 Janoary 2025 tamin'ny 06 ora maraina. Tapaka vonjimaika ny lalana ao amin'ny Ambodimanga Kaominina Ambinanin'androvy, noho ny fihotsahan'ny tany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT