Lasibatra ny Real TV

Halatra tsotra sa gafy ara-politika ?


  • Talata 07 Janoary 2025

Nisy namaky omaly alahady alina hifoha androany alatsinainy maraina ny trano misy

ny émetteur-ny Real TV eny Ambohimitsimbina, hoy io fahitalavitra io omaly maraina. Nofonosina fotoka ny fanalahidy elektronika misy « alarme » mba tsy haneno ka ny « onduleur » manodina ny « emetteur » no nalain’izy ireo. Taorian’ny nijanonan’ny antenne tamin’ny 12 ora alina, ka iny hamerina ny « antenne » androany tamin’ny 5 ora maraina iny ny teknisiana no nahita fa tsy mandeha ny Real TV, raha ny fanazavana. Rehefa niakatra teny Ambohimitsimbina ny teknisiana no nahita fa nisy namaky ny trano misy ny émetteur. Nomarihana fa tsy azo idirana eny amin’ny « site » Ambohimitsimbina raha tsy mahazo alalana avy amin’ny DIT, sampan-draharaha ao amin’ny ORTM, eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera. Toerana misy mpitandro ny filaminana miambina andro aman’alina eny amin’ny « site " ka tsy azon’iza n’iza hidirana ary tsy maintsy maka alalana izay vao afaka miditra amin’ny toerana ka nametra-panontaniana mikasika ny tranga ny mpitantana ny Real TV. Tsy afaka nidirana hatramin’ny 12 ora atoandro. Naka vadin-tany nanamarina ny zava-nisy io fahitalavitra io, narahin’ny fitsirihan’ny manam-pahefana nanao fanadihadiana, ka nahitana ny fiovan’ny toeran’ny fitaovana sasany sy ny fahaverezan’ny « onduleur »,… Afaka niverina nandeha ihany moa io fahitalavitra io omaly hariva rehefa nandeha ny famahana ny olana. Ao anatin’ny toe-draharaha mafampana no miseho ka resaka halatra tsotra sa gafy politika no miseho ? Andrasana ny tohiny !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT