Actualités

Laser» raisina ho toy ny kilalao Mananatra ny zandarimariam-pirenena saingy…


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Raha ray aman-dreny tokoa ka mahalala ny tokony ho izy, ny mety sy ny tsy mety dia tsy hividy itony ho an'ny zanany,

hoy ny hafatry ny avy eo anivon’ny CIRGN Antananarivo, mikasika irony «laser» na jiro mena lasa ifampitarafadrafan’ny ankizy ankehitriny itony rehefa volana jona toy izao. Rehefa eny an-tanan'ny zaza izy dia hafa mihitsy ny fampiasany azy, hoy hatrany ny avy eo anivon’ity sampana iray eo anivon’ny zandarimaria ity. Angamba tsy kilalao ny anaran'itony zavatra itony, hoy izy ireo. Etsy ankilany dia mametra-panontaniana tokoa ireo ray aman-dreny mahalala tsara ny zava-doza mety aterak’izy itony hoe fa ahoana tokoa moa no maha tafiditra azy hatrany eto Madagasikara rehefa hoe akaiky fetim-pirenena toy izao? Tsy afaka mandrara ny fidirany eto ve ny fanjakana malagasy? Iza no mahazo ny tsena hidiran’izy itony eto? Hatraiza ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana malagasy ho fiarovana ny aina sy fahasalam-bahoaka manoloana na to-javatra heverina ho madinika nefa mety hanimba ny olompirenena tahaka izany? Mananatra eto ny zandarimaria saingy aiza ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana foibe?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT