Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :
demokrasia ! Dia tena samy manana ny famaritany azy tokoa moa izany. Nanonofy indray aho alina, fa ny hevitra no tsy mitovy, ny loko politika no mifangarika,… fa ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny fitsinjovana ny vahoaka, dia tena samy manao hazakazaka arahin-tosika amin’ny fitsinjovana ny valalabemandry sy fikatsahana ny soa iombonana. Dia tena niova tokoa moa ilay fomba fanaovana politika. Samy manaja lalàna ny rehetra, tsy migafigafy, mifanaja,… eny tena ny hevitra no ahely,… Taitra tampoka aho ka sanganehana, saika latsaka hatramin’ny ranomasoko,… Indrisy mantsy fa mbola ny fizarana sô sy koveta no tazako manangasanga, ny fampiderana vola aman-karena hanjonoana ny mahantra sy ny sahirana tazako etsy sy eroa ka isan’ny lohalaharana amin’io ireo milaza fa ny miaraka amin’ny eo amin’ny fitondrana ihany no tena mety sy fanalahidin’ny fampandrosoana sy ny fandrosoana. Indrisy mantsy, hoy aho, fa raha izay tokoa ve no marina dia hihemotra any amin’ny rambony hatrany ity fireneko. Latsaka ny ranomasoko mieritreritra fa manana harena tsy hita noanoa ity taniko ity kanefa firenena faha-124 amin’ny 125 difoitry ny hanohanana. Nofiko hatry ny ela ilay hoe : nahay nitantana tokoa isika, haintsika tokoa no nampitia sy nampianatra ireo harenantsika hositrahan’ny taranaka sy ho fanohitra ho an’ny fandrosoana. Moa tsy izany no isan’ny nimatimatesan’ireo mpitolona tamin’ny 13 mey 1972 vao nitsingerina omaly. Dia mbola indrisy ny any DubaÏ, Thailande, Chine,… no migalabona ny haren’ny fireneko ! Takonana koveta ny maso tsy hahita an’ireny ! Tsy mahazo kivy sy ketraka anefa, fa tsy maintsy mijoro manohy ny tolona e !
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.