Lasa resa-pianakaviana ny fitantanana ny firenena

Ny zanak’i Rajoelina lahy no nifampiaraharaha tamin’ny Emirates


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Rehefa mihaino tsara ny lahatenin’ny filoha Rajoelina ny talata lasa teo tamin’ny fitsenana ilay

sidina voalohan’ny emirates teny Ivato, dia tahaka ny hoe ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity no hamonjy an’i Madagasikara sy hanome hanafaka ny fahantran’ny Malagasy. Noraisina tahaka ireny mandray filoham-pirenena na mpanjaka ireny mihitsy ilay fiaramanidina boeing 777 sy ireo mpitantana avy ao amin’ny Emirates. Iny eo ihany fa ny tena nanaitra dia hay ve ka ny zanaka lahimatoan’ny filoha, i Harena Rajoelina no nanao ny fifampiraharahana tany Dubaï ka nahafahana nametraka izao fiaraha-miasa amin’ny emirates izao e . Mampanontany tena ihany hoe efa mpikambana ao amin’ny governemanta ve izany ity zanaky ny filoha ity sa mpanolotsaina manokan’ny dadany amin’ny resaka fitaterana sy fizahantany sa « consultant » eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika sa inona ? Dia tena tsy misy olona hafa mihitsy ve avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy afaka niresaka tamin’ny Emirates fa tsy maintsy ny zanaky ny filoha no nanao izany. Tsy fahadisoana mihitsy angamba no miteny hoe io fa atao raharaham-pianakaviana ilay fitantanana ny firenena. Isaorako manokana ny zanako Harena, hoy i Rajoelina niasa mafy sy nanao izay ho afany ka nahafahana nahatonga ny emirates eto Madagasikara izao ; nisy teratany vahiny iray ihany koa moa nambara fa niara-niasa taminy. Ankoatry ny aferan’ny akamakama dia raikitra ihany koa izany ny resa-pianakaviana amin’ny fitantanana ny firenena sy ny fanaovana fifampiraharahana iraisam-pirenena. Asa na mba hihetsika manoloana izao ka hanao fanadihadiana ny parlemantera sy ny Bianco na dia hitazana sy hitehaka fotsiny.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT