LASA ADINO NY CLAC

Omena aina amin’izay manomboka izao


  • Talata 09 Jolay 2024

Toa zary adino na tsy misy mpahalala intsony ny CLAC eto amintsika.

Ho an’ny any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny dia fantatra fa efa tena koka sy antitra izany nefa tena ahitana ireo karazam-boky maro samihafa manabe sy mampiala voly ny mponina ary mampitombo ny fahalalana ireo kilonga madinika sy ankizy mpianatra. Tonga nitsidika ity CLAC iray any an-toerana ity ny teo anivon’ny Ministeran’ny kolontsaina ny faran’ny herinandro teo izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny teny Malagasy , tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Andao hamaky boky. Fifaninana tononkalo, fitantarana angano, niampy hetsika ara-kolontsaina maro samihafa no nentina nanamarihana izany tamin’io andro io. Ity moa no CLAC faha-6 amin’ireo 27 isa manerana ny Nosy notsidihin’ny Ministera mpiahy. Nambaran’ny teo anivon’ny tranom-bokim-pirenena kosa fa tsy hipetra-potsiny intsony izy ireo manomboka izao fa hamelon’aina ireo CLAC manerana ny Nosy ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Legende : Hanampiana ireo kilonga ety ambanivohitra ho tia vaky boky ny CLAC !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT