Lapan’i Tsimbazaza

Tsy nitohy intsony ny asa fanitarana


  • Alarobia 03 Septambra 2025

Efa ela no nanorenana ny fotodrafitrasa iray ao amin’ny

lapan’ny antenimieram-pirenena ao Tsimbazaza ao. Ny antony nanaovana izany, raha tsiahivina, dia hoe efa tery ilay lapa taloha. Efa filohan'ny Antenimierampirenena maro no nifandimby tao hatramin’ny repoblika faha 3 fa nihitsoka teo io. Tsy nisy filohan’ny antenimiera na depiote niheritreritra ny tokony hanohizana izany asa izany mihitsy ve izay nandalo rehetra? Aiza ny fametrahan’ireo mpitondra rehetra nandalo ny maha zava-dehibe ny hoe fitohizan’asa na «continuité de l’Etat»? Maninona no tsy vitaina ny asa nefa iarahan’izay rehetra mandalo mahita fa sady mandratsy endrika ilay toerana izany amin’izao fotoana izao no sady mandratsy endrika ilay fitondràna sy andrim-panjakàna koa, eny, ilay firenena manontolo mihitsy aza? Ny tetibolam-panjakàna ve no tsy namaritana ampahany azo hanamboarana azy io sa ny kitapom-bolam-panjakàna mihitsy tokoa no efa manify dia manify? Izay aloha izany hatreto no zava-misy. Tsy nitohy intsony ny asa mikasika ity fanitarana ny lapan’i Tsimbazaza ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT