Efa nivoaka ofisialy izao ny CMH, izay anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo.
Io no ahafahantsika mitondra fanovana eto an-drenivohitra, na amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha-olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly tamin’ny hafatra fiandohan’ny herinandro nataony. Tsapako fa mbola tsy tena azon’ny mponina tsara ilay votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fahafantarana ireo fitsipika maro ireo, mba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, hoy izy. Nambaran’i Naina Andriantsitohaina fa tsy mahagaga fa mampalahelo ireo mpanao politika sasany, manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, izay mahafa-po ny vahoaka maro an’isa sy mahasoa ny Tanànantsika, ka mba hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro. Mbola maro no tsy mahalala tsara sy mampifangaro ny hetra sy ny lamandy. Tsara ho fantatsika fa tsy ny lamandy velively no natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny Kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Koa mankahery anareo aho... Mila fahasahiana ny zavatra toy izao, hoy hatrany I Naina Andriantsitohaina izay naneho hoe tsy hihemotra isika satria io no efa nandrasan’ny mponina amintsika. Maro ny mponina manohana, hoy izy. Heviny izay, fa maro ihany koa ny mihevitra fa betsaka ny fanararaotana sy endrika fitadiavam-bola mihoampampana ataon’ny CUA.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.