Actualités

Lalatiana Ravololomanana Efa nametra-pialana raha manan-kambo…


  • Talata 07 Novambra 2017

Sesilany ny fanaratsian’i Lalatiana Ravololomanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Lalao Ravalomanana, Ben’ny tanànan’Antananarivo,

 ary toa izany mihitsy no anton-draharahany ankehitriny. “Manaratsy tena toy ny omby hatsika”, hoy ny fitenenana, ka manaratsy endrika ny namany, mitety haino aman-jery manaratsy ny kaominina, kanefa izy amin’io mpanolotsaina ao ihany. Raha tena demokraty tokoa ity Ramatoa tsy mifidy vava havoaka amin’ny fanamavoana sy fanivaivana olona ity, maninona no tsy mametra-pialana rehefa tsy te ho tompon’antoka ? Amin’izay mibaribary eo ny Ben’ny tanàna sy ny TIM manohana azy. Inona no mbola hanaovana fitan-droa sy hialokalofana ao kanefa tsy hanao afa tsy ny hanaratsy sy hanamavo ? Etika politika ny fametraham-pialana madiodio rehefa mihevitra fa mifanohitra tanteraka amin’ny fotokevitra heverin’ny tena ho tsy mety ny zava-misy, ary any ivelany no milaza sy mandresy lahatra ny vahoaka hoe izao sy izao no zavatra tsy mety ao, ary anjaran’ny Malagasy no mamakafaka avy eo. Ny zava-misy anefa mbola mifikitra ao ihany fa tsy mba manan-kambo, hany ka toa ny higafy sy hamotika no tena masaka an-tsaina.  Tsy mba mahita ny zavatra tsara mihitsy fa dia ny handentika sy hanala baraka ny mpitantana ny tanàna no tena lahasa. Rehefa mihevi-tena ho zavatra sy mahavita azy, dia miala aloha dia avela hiasa an-kalalahana ny hafa fa tsy finganina. Tsy adala ny vahoaka fa hainy ny mametraka an-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana sy ny ekipany ho eo amin’ny toeran’ny mpitantana ankehitriny amin’ny fifidianana manaraka, raha tena resy lahatra amin’ny heviny sy ny fanaratsiana mibosesika amin’ny vavany ny olona.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

Hijery ny tohiny
FTT