Lalatiana Rakotondrazafy

«Tsy voatery ho hitan’ny siansa ny ody gasy ! »


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Misy singa tsy voatery ho hitan’ny siansa raha vao misy hoe «ody gasy»

sy «dadarabe» ny «famosaviana», hoy ny loholona, Lalatiana Rakotondrazafy. Disadisam-pianakaviana no niaingan'ny resaba teto amin'ny tambazotran-tserasera mikasika ny fanapozinana teny Ambohimalaza saingy misy ireo mitady fomba hampidirana resaka politika ity tranga ity, hoy izy. Marina fa betsaka ireo mpiserasera eto amin’ny tambajotra sy ireo mpanao gazety efa hay ny momba azy te hisintona mafy ny fisainan’ny rehetra hoe «botulisme» no nisy dia andraikitry ny fanjakana io fa nahafaty olona maro be ny delestazy. Eo koa ny manao karazana teoria misavoana hoe natao sorona ny olona, hasarotam-piarona vadina olona ambony satria sipan’io olona ambony io ilay tompom-pety sy ny tahaka izany fa ny tena mahamaika dia hoe atao izay haha tomponandraikitra ny fitondram-panjakana. Efa fantatra koa hoe iray amin’ireo naiditra am-ponja ilay «cousine» an’ny tompom-pety. Efa nisy lonilony tamin’ny fianakaviana koa satria hoe efa maty vady tany aloha, nisy nanampoizina tao anatin’ny fianakaviana tao ihany? Tao aminy tamin’ny fisavana na «perquisition» no nahatrarana ireo «substances» na singa izay nolazainy fa azony tany amin’ilay dadarabe. Mino aho fa efa hitan’ny fanadihadiana ofisialy ny tena asan’io dadarabe io ary mety ho azontsika malagasy an-tsaina tsara hoe misy singa tsy voatery ho hitan’ny siansa koa raha vao misy hoe «ody gasy» sy «dadarabe» sy «famosaviana» izany ny resaka eto amintsika eto Madagasikara. Tsy tokony afangaro amin’ny resaka politika, araka izany, ity raharaha ity fa lasa tsy afaka mandanjalanja intsony isika dia mihitatra amin’ny tsy tokony ho izy. Tsy mitondra fitoniana ho an’ny fianakavian’ireo niharam-boina mihitsy ny zava-misy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT