Tonga nihaona tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona sy ny mpisolovava azy teny amin’ny Lapan’Anosikely omaly i Lalatiana Rakotondrazafy sy ny mpisolovava azy sy ny orinasany noho ny fitoriana nataon’ity filohana andrim-panjakana ity azy ireo.
Anton’ny fitoriana, raha tsiahivina, ny namoahan’ny gazety Free News lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Mpitondra fanjakana manan-karena tampoka : nanangana trano mijoalajoala misy rihana 5 i Honoré Rakotomanana”, nivoaka ny 20 mey 2017. Nodisoin’ny filohan’ny antenimierandoholona izany, ary nametraka fitoriana an’ny Free News ny tenany. Nifandrirarira teny foana, saingy tsy fantatra na efa halohalika ny ranombary, ka nisafidy ny niala tsiny ny tompon’ny Free News. Nisy ny fiezahana hifanatona, araka ny nambaran’i Lalatiana Rakotondrazafy. Izahay nametraka hoe zanaka dia nifanatona satria raiamandreny ny filohan’ny antenimierandoholona, dia nanatona izahay tao anatin’izay fifampiraharahana sy fiezahana hitady vahaolana izay. Efa nisy ny filazanay ny fialan-tsininay ary izao nohamafisina izao. Nilaza ny filohan’ny antenimierandoholona fa tsy nisy tsy vitan’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana, hoy hatrany i Lalatiana Rakotondrazafy. Nilaza ny hanala ny fitoriana an’ny Free News kosa ny filohan’ny antenimierandoholona, ka milamina hatreo izany ny raharaha. Inona no tena tao ambadik’izao filavoana lefona izao ? Misy hifandraisany amin’ny toe-draharaha politika ankehitriny ve ? Tsikaritra ho nifanenjana hatrany mantsy ny roa tonta tao anatin’ity raharaha ity, ary noheverina fa tsy i Lalatiana Rakotondrazafy velively no hiala tsiny sy hilavo lefona. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana anefa, ary mendrika halain-tahaka ny tahaka izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.