Actualités

Lalatiana Rakotondrazafy Nanitrikitrika fa malalaka ny fanaovan-gazety eto


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Nanome lesona ho an’ny mpanao gazety eto Madagasikara ny Minisitra mpiahy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo omaly 03 mey 2023, andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

Mila haverina sy hampahatsiahivina sy mila tenenina ka haveriko foana hoe: malalaka ny fanaovan-gazety eto Madagasikara, miantoka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay tsy nananatsika tamin’ny tany aloha ny lalàna 2020-006 tamin’ny 01 septambra 2020, ary tsy ny governemanta ary tsy ny fitondrana no manakana ny fahalalana”, hoy io Minisitra io. Misy ny ambana, dia ny tsy fifehezan’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny lalàna izay mifehy azy, hoy izy, no olana, hany ka diso hatrany ny fanehoan-kevitra manodidina ny firesahana ny fahalalahan’io sehatra io, hoy ity Minisitra ity. Ambana faharoa, hoy ity minisitra ity, ny fipariahan’ny vaovao diso izay tsy amin’ny tambajotra sosialy ihany fa na amin’ny haino vaky jery aza dia lasa tsy mahataitra ny fanapariahana vaovao diso sy famadihana vaovao. Lasa ambana ho an’ny fahalalana sy ny demokrasia, hoy hatrany izy nanitrikitrika. Ambana fahatelo ny lentam-pahalalana ho an’ny mpanao gazety eto izay nambarany fa ambany, ka tsy maintsy miaiky isika fa mbola ambany ny lentam-pahalalan’ny mpanao gazety eto Madagasikara satria isika ihany angamba anisan’ny sehatra asa matihanina mbola afaka manao gazety na tsy nianatra ho mpanao gazety aza. Nanamafy io minisitra io, fa raha mbola ny mpanao gazety iray no tsy mahay manavaka ny fandikan-dalàna amin’ny fanaovan-gazety “délit de presse” sy ny fandikana ny lalàna fototra na “délit de droit commun” dia ambana izay. Tahaka izany ihany ny tsy fananana fomba fiasa matihanina amin’ny fanamarinam-baovao, izay tokony handeha ho azy. Izay ny fijerin’ny minisitra, fa raha mivelatra amin’ny fijery hafa dia namoaka ny RSF (Reporters Sans Frontières) fa nihemotra ho faha-101 indray isika raha faha-98/180. Diso ve io amin’ny Fanjakana ? Tena endriky ny fahalalahana ve ny fanakatonana ankolaka na mivantana haino aman-jery na tsy famelana azy hositrahan’ny any amin’ny faritra? Notapahana, ohatra, ny fandefasana ny MBS amin’ny “bouquet satéllitaire”, izay tsy fiarovana na fiandaniana aminy, fa tena tsy ara-drariny satria raha ny lojika dia ilay haino aman-jery mihitsy no nakatona fa tsy hoe: misy ampahana Malagasy tsy mahazo mijery. Betsaka ny orinasa mangataka ny hiditra ao anatin’io fa tsy tafiditra noho ny tsindry,... Vao tsy ela ny fanakatonana ny La Gazette de La Grande Ile, izay tsy hidirantsika ny olana teo amin’ny tompony sy izay mpifanandrina aminy, fa misy mpanao gazety sy fiainan’olona maro no potika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT