Lalatiana Rakotondrazafy

Nanarin’ny vadiny fahiny…


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Manao antso amin’ilay renin’izy roa vavy kely zanako aho,

hoy ny hafatra somary nanaitra ny mpanara-baovao maro omaly tao amin’ny kaonty Facebook mitondra ny anarana hoe Andrisoa Andriatongarivo, izay tombanana ho vadin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Lalatiana Rakotondrazafy. «Miverena amin’ny làlana mahitsy dia tsy inona fa fiveranana amin’ny vahoaka», hoy ny hafatra voambara. Olona niady tamin’ny tsy rariny no nahalalanay anao. Ankehitriny sokafy ny maso fa aza sanatria jamban’ny fahefana sy ny toerana! Tsy misy tsy rariny mihoatra ny fifamonoana, fifandomana sy fifandratran’ny samy malagasy, ny daroka baomba mandatsa-dranomaso mahazo ny zaza tsy manan-tsiny any amin’ny toeram-pitsaboana. Aza manaiky ho fitaovana intsony entina hamadibadihana ny marina sy hampitombo ny fankahalàna sy fifandrafiana amin’ny samy malagasy ary «aleo halan’andriana toy izay halambahoaka!». Ianao mahalala fa olombelona fa tsy anjely isika no manao politika, manao hadisoana ary ny fianakaviana politikanao dia tsy lafatra. Fiteninao matetika ny hoe «Soa fa tsy isika no mpanohitra fa raha tsy izany angamba dia mamay mihitsy izao fitondrana izao!». Entiko milaza fa fantatrao tsara fa nisy ny mety ary betsaka koa ny tsy mety fa mihoatra kosa ny tokony azo leferina ny fifamonoan’ny samy malagasy. Mihainoa ny bitsiky ny fanahy masina ary miverena amin’ny vahoaka, hoy hatrany ity hafatra nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro ity. Nanarin’ny vadiny fahiny, araka izany i Lalatiana Rakotondrazafy, raha mitombina ity hafatra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT