Nametraka fitoriana tamin’ny anaran’ny tenany manokana niampangana ny mpitantana haino aman-jery Free FM, Lalatiana Rakotondrazafy sy ny vadiny,
Andry Andriatomanga, tetsy amin’ny Zandarimaria Betongolo, omaly ny filoham-boninahitry ny fikambanana Soluma na ny firaisan’ireo mpitarika eny anivon’ny Anjerimanontolo, Berija Ravelomanantsoa. Nametraka ny azy koa ny filohan’ny rafitra Fitoniana tour na ny fikambanana mpanao asa soa iray miara-dia amin’ny Soluma, Sambahita. Nilaza izy roalahy ireto fa niharan’ny fanalambaraka imasom-bahoaka. Nisy mantsy ny vaovao tsy marina naelin’izy ireo torian’ny 21 febroary teo milaza fa manao propagandin’ny fitondrana mialoha ny fotoana ny Soluma. Niaraha-nahita anefa fa asa sosialy tsy nisy loko politika no nataonay, hoy i Berija Ravelomanantsoa. Lazain’ireo fa tsy mahay teny frantsay, hoy izy, ny tenako, fa efa misy mpitondra manohana avy ao ambadika mba ho afaka amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasan’ny ladoany. Tena fanimbana ny hoaviko izany, hoy izy ka tsy ekeko. Nosolokian’ny vadin’ity tompona haino aman-jery ity ny kaonty fesibokiko mba hahafahany milaza fa nandrahona azy ho faty aho. Efa nomeko ny manampahefana ny sary famantarana eo amin’ny fesibokiko efa hatramin’ny taona 2014, hoy izy.
Tsy namaly fampiantsoana
Araka ny nambaran’i Sambahita dia olona 4 izy ireo no voasaringotra anaty raharaha ary nampanantsoina ny talata tolakandro teo tamin’ny 2 ora saingy tsy tonga i Lalatiana Rakotondrazafy. Aminay dia sady fanaovana tsinontsinona anay izany no fanaovana tsinontsinona ny fahefam-panjakana. Namerimberina tamiko i Andry Andriatomanga vao niditra ny vavahady hoe asiako amin’izay ianao, hoy izy. Araka ny fampahafantaran’izy roalahy ireto moa dia nametraka fitoriana ihany koa ny Soluma manerana ny nosy. Fantatra ihany koa omaly fa nalefa fampanoavana ity raharaha ity saingy nasain’ny fitsarana naverina etsy Betongolo anio maraina aloha satria tsy mbola tonga teny an-toerana ihany i Lalatiana Rakotondrazafy omaly fa ny mpisolovavany no hita teny an-toerana. Mitohy anio etsy Betongolo ny raharaha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.