Actualités

Lalatiana Rakotondrazafy Hopotehana amin’ny alalan’ny fitsarana ?


  • Alarobia 16 Aogositra 2017

Tsy mbola tapitra hatreo ny adin’i Lalatiana Rakotondrazafy, tompon’ny gazety Free news sy ny filohan’ny antenimierandoholona Honoré Rakotomanana.

 

 Anio no hanomboka ny fitsarana an’i Lalatiana Rakotondrazafy. Fanalam-baràka an-gazety no vesatra hanenjehana azy.  Raha tsiahivina, resaka lahatsoratra an-gazety nivoaka tao amin’ny Free News ny 20 mey 2017 nitondra ny lohateny hoe “Nanangana trano mijoalajoala misy rihana i Honoré Rakotomanana” no antony, ka nahatonga io filohana andrim-panjakana io nitory. Fanosoram-potaka sy fanalam-baraka no nandraisany azy io, ary nodisoany tanteraka ny fisiany. Mbola hisy ny fampanantsoana ny tompon’andraikitr’io gazety io eny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava anio alarobia 16 aogositra, raha ny vaovao nivoaka tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Nilaza kosa i Lalatiana Rakotondrazafy fa lasa any amin’ny resaka politika ny raharaha ary nampidirina amin’ny heloka famaizana. Tena famelezana ara-politika no misy kanefa heloka natao tamin’ny resaka fanaovan-gazety no atao, ka hamoronana lalàna sy dosie mihitsy, raha ny fanazavany. Tsy ekena ny hanaovana fitaovana politika ny fitsarana, hoy kosa ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Faniry Ernaivo. Tsy ekena ny fampiasana ny lalàna hanaovana valifaty na “règlement de compte” politika, fa aoka ny lalàna mifehy ny fifandraiasana no harahina, hoy hatrany izy. Efa nisy ny fanehoan-kevitra nataon’ny minisitry ny serasera Harry Laurent Rahajason tany aloha, izay toa nanakiana an-kolaka an’i Lalatiana Rakotondrazafy sy ny orinasan-tseraserany tamin’io resaka io. Tsy takona afenina ihany koa ny tsy fifankahazoana teo amin’ity minisitra ity sy ny Filohan’ny SMM Faniry Ernaivo, ka nilazan’ity farany tamin’izany fotoana hoe “asaivo mianatra lalàna aloha ny minisitry ny serasera”. Toa miitatra amina lafin-javatra maro, araka izany, ny raharaha ary mety hahatafidiran’ny resaka fifamotehana ara-politika sy hidiran’ny tsy fifankahazoana eo amin’ny rafi-panjakana dia ny minisiteran’ny serasera miampy ny filohan’ny antenimierandoholona an-daniny, ary ny SMM sy ny tompon’ny orinasa Free News an-kilany. Miandry izay ho tohin’ny raharaha ny rehetra.


 

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT