LALAO « TOMBOLA »

NOKARAKARAIN’NY COSMOS Olona 25 no nahazo loka, iray hitsangatsangana any Dubaï


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Notanterahina afak’omaly 06 Febroary teny amin’ny magazay Cosmos Ankorondrano

ny valin’ny ankitsapaka, lalao tombola nokarakarain’ny magazay Cosmos ho an’ireo nanjifa entana tao aminy nanomboka ny datin’ny 06 Desambra taona 2023 ka hatramin’ny 14 Janoary taona 2024 lasa teo. Tamin’ny 05 Febroary kosa teo kosa no nanaovana ny tany amin’ny faritra rehetra izay misy ny magazay. Lasan-dRtoa Julie tamin’izany ilay fitsangatsanganana ho an’olon-droa miazo an’i Dubai ka tafiditra ao anatin’izany ny tapakila mandroso sy miverina, ny hotely hivantanana, ny sakafo maraina , ny sakafo atoandro ary ny sakafo hariva. Atoa Solofotiana kosa no nahazo ilay Moto loncin 125 cc, loka faharoa, lasan’i Faliniriana ny loka fahatelo izay nahazoana efitrano fandriana feno raha Rtoa Linda kosa no nitsikian’ny vintana tamin’ilay salon complet, loka natolotra ho an’ny tsara vintana fahaefatra….. Tsiahivina moa fa ny magazay Cosmos no marika lehibe indrindra eto Madagasikara izay mivarotra fanaka, kojakojan-tokantrano madinika sy lehibe, telefaonina, fitaovana informatika, tuk tuk, bisikileta, kojakoja, fitaovana ara-batana haingom-trano ary vokatra maro hafa.Tamin’ny taona 2013 no nisokatra voalohany teto amintsika ny magazay ary manana magazay 18 isa izy ireo manerana ny tanana samihafa eto Madagasikara. Ny 8 amin’ireo dia eto Antananarivo avokoa. Ny ambiny kosa any Toamasina, Toliara, Mahajanga izay misy 2, Fianarantsoa, Ambilobe, Antsirabe, Diego, Fort Duaphin ary Sambava. Izy ireo irery ihany koa no rojom-pivarotana manolotra tolotra fivarotana credit hatramin’ny 30 volana miaraka amin’ny credit Mirindra. Nahazo alalana tamin’ny SEL na ny Service Operations Lottery sy ny polisin’ny lalao ny lalao izay notanterahina.
Pati
Legende : Nandritra ny fisarihana ny anaran’ireo tsara vintana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT