Actualités

Lalao Ravalomanana Olon’ny Fifanakalozana


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Manoloana ny fanararaotan’ny sasany ny fahanginan’ny ben’ny tanàna tato ho ato, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny iraka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Sarah Zoe,

 dia manana adidy ny tenako hanazava ny sain’ny vahoaka mikasika ny laharam-pahamehana sy ny tanjon’ny kaominina izay iniana tsy henoina sy hodian’ny sasany tsy hita. Andraikitry ny mponina rehefa miaina eto aan-drnivohitra na gasy na vahiny no mifanome tanana amin’ny fanatsarana ny tanàna. Tsy nitsangantsangana akory ny ben’ny tanàna raha nivoaka tany ivelany toy izay nataony tany Kanada sy Afrika atsimo ireny fa zava-dehibe no nentiny avy any dia ilay kolontsain’ny fiaraha-miaina na ilay hoe « vivre ensemble ». Tsy hoentina amin’ny fifandrafiana ny fahasamihafana sy fitovian-kevitra fa ho amin’ny tombontsoa iombonana sy ny fampandrosoana. Porofon’izany dia vao ny alakamisy teo no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny vondrona japoney JICA ary ny minisiteran’ny asa vaventy hametrahana tetikasa momba ny fanatsarana ny tanàna na ny « plan d’urbanisme ». Olon’ny fifanakalozana, hoy ny tenany, ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, saingy tsy tia misehoseho fa rehefa misy vokatra azo vao miteny.

Tsy nahazo famatsiam-bola

Tiana, hoy izy, ny manamarika fa mitotaly 220 kilaometatra ny lalana eto Antananarivo ka ilana hanomanana vola  mitentina hatrany amin’ny 120 tapitrisa ariary isan-taona eo ny fikojakojana izany. Tsy misy anefa, hoy izy, ny famatsiana tonga avy amin’ny fanjakana fa tsy nataonay sakana. Niezaka izahay niara-niasa tamin’ireo sehatra hafa hatramin’ireo tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsy midika akory izany hoe amidy amin’ny tsy miankina daholo ny tetikasa rehetra fa tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe EPIC na sehatra iombonana mifantoka amin’ny varotra sy indostria avokoa ireny. Isany ny Omavet izay tsy mampifanaraka ny mpitatitra sasany amin’ny kaominina amin’izao fotoana izao. Rantsa-mangaikan’ny CUA efa hatramin’ny taona 2004 io fa ninian’ireo mpitantana teo aloha tsy nampahafantarina. Natao hanapiana ireo fiarakaretsaka satria dia maimaimpoana ny fitsirihana fiara atao ao ary tsy nisy niova ihany koa ny sarany. Aleo mifanakalo hevitra, hoy ity tompon’andraikitra ity, fa mampalahelo amin’izao ny mahita hoe etsy diovina dia etsy misy manary fako. Maro moa amin’izao no miandry ny fifanatonana mivantana eo amin’ny ben’ny tanàna sy ny fikambanan’ireo mpitatitra am-piarakaretsaka na ny FTAR.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT