Actualités

Lalao Ravalomanana Asa fa tsy kabary


  • Zoma 08 Septambra 2017

Vita hatreo ny resabe fa raha izay no nampandroso efa lasa paradisa Antananarivo.

 

Hatrany amin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben’ny tanànan’Antananarivo Ramatoa Lalao Ravalomanana no tsy be resaka. “Asa fa tsy kabary” ny azy. Miasa mangina sy tsy mamaly fihantsiana sy fanaratsiana ny tenany, ka maro amin’ny mpanenjika no sahiran-tsaina manoloana io fahanginany io. Noporofoiny tao anatin’ny roa taona latsaka nitondrany izao fa mahalala ny zava-misy sy manahirana ny mponin’Antananarivo izy, mahafantatra ny tokony hatao manoloana izany, ary mahavita mampandroso an’ity renivohitra ity. Reny rahateo izy, mahalala ny olana iainan’ny tokantrano, indrindra ny vehivavy. Nikaroka ary mahita vahaolana ny kaominina tantanan’i Lalao Ravalomanana, izy rahateo olona manam-pinoana, na tsy omen’ny fanjakana aza ny vola fanampiana na “subvention” tokony ho azy, voasoratra amin’ny lalàna. Izay no anovozany sy ifanakalozana traikefa tsy tapaka amin’ireo Ben’ny tanàna sy mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy any ivelany. Ny tenany rahateo no filohan’ny Fikambanan’ny tanàn-dehibe sy kaominina aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ankehitriny. Manana ny vina sy paikady heveriny fa hahafaha-mampandroso an’Antananarivo ho mendrika izany renivohitr’i Madagasikara izany i Lalao Ravalomanana, saingy tsy afaka manapaka irery satria mbola eo ny Filankevitra monisipaly, ary mila ampandalovina any amin’ny prefektiora raha manaraka ny lalàna ny zavatra tapaka. Anaovan’ny sasany resabe sy angoan-tenda anefa fa hoe : manapaka irery, rehefa hita fa mandeha sy mety hiavaka ny tetikasa iray. Vao tsy ela akory izay no nivoizana, fa namidin’ny Ben’ny tanàna ny Esplanade Analakely, kanefa famatsiam-bolan’ireo mpivarotra teo aloha ihany anaovana ny fanamboarana, ary izy ireo no hiverina hivarotra sy hampiasa io toerana io, ny fotodrafitrasa kosa mijanona ho fananan’ny kaominina. Nanaovana antso tolo-barotra na AMI (Appel à Manifestation d’Intêret) ny asa fa tsy bodongerona na kiantranoantrano. Maro ny tetikasa toy ny fiaraha-miasa tamin’ny Easy Park amin’ny fandaminana sy fandrindrana ny “parking”. Tsy dia hita ao afovoan-tanàna intsony izao ny fiara mitaingina « trottoir ». Madio ny tanàna, foana tsikelikely ireo trano “sachet”. Misy izao ny fiaraha-miasa vaovao amin’ny OMAVET amin’ny fitsarana fiara mpitatitra eto an-drenivohitra mba hirosoana amin’ny matihanina kokoa, indrindra hiarovana ny aim-bahoaka manoloana ny loza isan’andro. Misy ny mivavaka tsy hahavitan’i Lalao Ravalomanana mampandroso, ao indray ireo mimenomenona satria zatra ny gaboraraka sy ny kolikoly, maro anefa no mahita sy migoka ny fiovana tsara sy azo tsapain-tanana eto Antananarivo ka mankasitraka sy mampirisika hatrany ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany amin’ny asa fampandrosoana tanterahina.

Fifanomezan-tanana

Tonga mandom-baravarana sy manontany izay azo hifanampiana ny mpiara-miombon’antoka na vahiny na tompontany, na fikambanana na olon-tsotra rehefa mahita ny ezaka. Nisongadina, ohatra, ny nanomezan’ny olon-tsotra malalatanana iray fiara fitaterana marary ho an’ny BMH. Ny ankamaroan’ireo solombavambahoaka eto Antananarivo, dia manolo-tanana satria tombontsoan’ny renivohitra no jerena. Mandeha ny asan’ny kaominina na amin’ny lafiny fandrindrana ny tanàna na ny resaka sosialy isan-karazany, ary mety hahavita dingana lehibe tokoa raha tonga miaraka ho fanombohana, ary miasa miaraka ho fahombiazana.

Toky R


Guy Rivo Randrianarisoa, Kestora fahatelon’ny Antenimieram-pirenena, depiote TIM voafidy ao Antananarivo faha-V « Paikadin’ny HVM io manaratsy io. Mamoaka sary fa tsara be ny momba ny tanànan’i Toliara sy Mahajanga, hisehoana fa mahavita, dia manaratsy fa Antananarivo tsy mahavita, tsy misy miova ».

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT