LALAO MENA MAHAZO

Najifa ny vola 100 000Ar, saika lasa adala ilay lehilahy


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Saika tsy niverina omaly ny sain’ny lehilahy iray manodidina ny 35 taona

eo ho eo rehefa voasarik’ireny lalao mena mahazo ireny tao Fianarantsoa tampon-tanana tao. Raha araka ny fantatra dia avy any ambanivohitrabe io lehilahy io. Tsy mbola mahalala ny fikafikan’ireo mpanao lalao mena mahazo izy araka izany ka banky ropotra vao navelan’ireo tsy mataho-tody. Vola 100.000Ar tokony hividianany entam-barotra no lany fongana tsy nisy tao anatin’ilay kitapokely nentiny ka saika tsy niverina ny sainy. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia mirongatra tanteraka ireo ny karazan-dalao miaro fitaka toy ny mena mahazo amin’izao ao Fianarantsoa ao. Toraka izany koa ny filalaovana karatra, ny fampiasana vola amin’ireny karazana lalao hatao amin’ny finday ireny…. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky izany ireo mponina any an-toerana. Tsiahivina moa fa ny lalao mena mahazo dia fandrotsahana volakely havadika ho volabe. Iray amin’ny olona 200 isa mpandray anjara anefa no mety hahazo raha betsaka fa ny ankoatra izay tsy miala maina toy ny takotra avokoa.
Pati
Legende : Nihampanampana tahaka izao ity lehilahy ity nijery ny fahalian’ny vola tao anaty sakaosiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT