Lalao Afrikanina 2024

Efa misy tonga any Ghana ny Malagasy


  • Talata 05 Martsa 2024

Handray anjara amin'ny taranja miisa 12 i Madagasikara.

Efa any an-toerana moa ny ampahany ahitana ireo mpilalao échecs sy tennis ambony latabatra. Ankoatra ireo taranja ireo dia mandray anjara koa ny Malagasy amin'ny basket 3x3 lahy sy vavy, ny karaté, ny tolona, ny fibatana fonjamby izay antenaina hitondra ny volamena maro amin'ny alalan'i Rosinah Randafiarison sy Andriatsitohaina. Eo koa ny rugby vehivavy lalaovin'ny olona 7, ny Taekwondo, ny Bras de fer, ny Atletisma, ny judo ary ny karaté izay lasa roa sisa raha 9 nomanina. Eo fihenan'ny mpandray anjara io indrindra no tena naha be resaka satria tsy tena mazava ny fitsipi-dalao.Milaza moa ny ministra Haja Resampa fa ireo mety mitondra medaly ihany no alefa nefa dia misy tokoa ireo taranja handeha hitsantsangana any Accra.- Ghana Ny azo antoka fa hitondra medaly mody aloha hatreto dia i Rosinah Randafiarison amin'ny fibatana fonjamby sy Laura Rasoanaivo eo amin'ny judo ary ny basket lehilahy 3x3.Ny ankoatra izay mbola tena ankamantatra raha tsy hiresaka afatsy tennis sy karaté ary taekwondo isika.Ho hita eo ihany ny tohiny fa tsy hivoaka eo ve ny marina ?
Clément RABARY
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT