Lalàna momba ny toaka gasy

Lany 100% teny amin’ny Antenimierandoholona


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Iray volana latsaka kely taorian’ny nandanian'ireo Solombavambahoaka tetsy

ny tolo-dalàna laharana faha 001/2025 momba ny famokarana sy fivarotana toaka gasy eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara, nolanian’ny loholona omaly ihany koa izany. Tolo-dalàna izay natolotry ny depiote voafidy tao Ambositra Andriamihaha Fanomezantsoa Yves Georges dit Liva Rason. Samy nandany azy io 100% ireo andrim-panjakana mpanao lalàna miisa 2, saingy nisy fanovana miisa 7 nentin’ny Antenimierandoholona ka hiverina eny Amin’ny Antenimierampirenena izany ity lalàna ity. Nilaza ny loholona fa ity no lalana mampisongadina ny maha Malagasy sy ho fitsinjovana ny tantsaha any ambanivohitra. Ny ao Tsimbazaza no ho tompon’ny teny farany, ka raha miverina lany soa aman-tsara ao dia handalo fanamarinana na mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia (contrôle de constitutionalité) eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Raha eken’ny HCC, dia didy mandalo didy fampiharana na « promulgation » ny dingana farany mikasika azy ity, raha resaka fampandaniana sy fampiharana lalàna eto amintsika no arahina. Asa hanao ahoana ? Tsy vao izao no nandalo an’ireo andrim-panjakana ny lalàna mikasika ny toaka gasy, fa efa nisy ohatra ny tolo-dalàna tamin’ny andron’ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa, saingy tsy nipasy hatramin’ny farany. Efa fanintelony ny tolo-dalàna natolotra sy nolaniana, tsy nisy tohiny ny 2 voalohany, ary ny iray farany nialohan’izao izay efa nolazaina io ambony, dia voasakana teo amin’ny Antenimierandoholona. Voalaza kosa fa nojerena ny lesoka tamin’ireo lalàna teo aloha, nentina ny fanatsarana. Tafiditra ao anatin’io ny arofanina samihafa toy ny famantarana mazava na « traçabilité ». Ny arofanina toy ny famaritana, fa 1 ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ny mpanao toaka gasy hosoka, toy ny fampidirana laro mety hampidi-doza. Onitra hatrany amin’ny 5 hetsy Ar. Mifamatotra amina fiharian-karena ho ana ampahana tantsaha Malagasy ny resaka toaka gasy fa indrindra indrindra mifamatotra amin'ny kolontsaina Malagasy na an-kafaliana na an-karatsiana. Ara-toekarena sy ara-tsosialy, efa betsaka izay fanenjehana sy fandrarana izay fa tsy nahasakana ny fipariahany eny anivon'ny fiarahamonina manerana ny elakelan-trano manerana ny Nosy. Isan'ny tena adihevitra kosa ny fomba fanamboarana azy, ny tahan’ny alikaola, ny fitehirizana, ary ny fitsinjarana azy,... mba hanara-penitra. Mamelona olona maro, sotroin'ny Malagasy maro,... saingy mbola nosokajiana ho tsy ara-dalana, nafenina, henjehina,... ka lojika raha dinihina sy iadian-kevitra mba hampidirina amin'ny sehatra manara-dalana sy manaraka kalitao. Irariana kosa raha ho tafavoaka hatramin’ny farany ny tsy hisiana kajikajy ara-politika sy ara-toekerana ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT