Lalàna momba ny toaka gasy

Lany 100% teny amin’ny Antenimierampirenena


  • Alakamisy 22 Mey 2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

ny tolo-dalàna laharana faha 001/2025 momba ny famokarana sy fivarotana toaka gasy eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara izay natolotry ny depiote voafidy tao Ambositra Andriamihaha Fanomezantsoa Yves Georges dit Liva Rason rehefa niadiana hevitra ka nasiana fanitsiana. Lany 100% ny tolo-dalàna, izay nomarihin’ny depiote nanolotra azy fa nojerena ny lesoka tamin’ireo lalona teo aloha, nentina ny fanatsarana. Tafiditra ao anatin’io ny arofanina samihafa toy ny famantarana mazava na « traçabilité ». Ny arofanina toy ny famaritana, fa 1 ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ny mpanao toaka gasy hosoka, toy ny fampidirana laro mety hampidi-doza. Onitra hatrany amin’ny 5 hetsy Ar,… Efa fanintelony ny tolo-dalàna natolotra sy nolaniana, tsy nisy tohiny ny 2 voalohany, ary ny iray farany nialohan’izao dia voasakana teo amin’ny Antenimierandoholona. Malalaka amin'ny ampahany fa mila fanarahan-dalàna sy fampanarahana fenitra ity resaka toaka gasy ity, izay tsiahivina fa efa nitondra tolo-dalàna mikasika azy io ny depiote teo aloha Brunelle Razafitsiandraofa, saingy tsy tody hatramin’ny farany. Mbola handalo etsy amin'ny Lapan'ny Antenimierandoholona etsy Anosikely indray ity tolo-dalàna ity 04 jona ho avy izao ka asa izay ho fandehany. Mifamatotra amina fiharian-karena ho ana ampahana tantsaha Malagasy ny resaka toaka gasy fa indrindra indrindra mifamatotra amin'ny kolontsaina Malagasy na an-kafaliana na an-karatsiana. Isan'ny tena adihevitra kosa ny fomba fanamboarana azy, ny tahan’ny alikaola, ny fitehirizana, ary ny fitsinjarana azy,... mba hanara-penitra. Mamelona olona maro, sotroin'ny Malagasy maro,... saingy mbola nosokajiana ho tsy ara-dalana, nafenina, henjehina,... ka lojika raha dinihina sy iadian-kevitra mba hampidirina amin'ny sehatra manara-dalana sy manaraka kalitao. Ara-toekarena sy ara-tsosialy, efa betsaka izay fanenjehana sy fandrarana izay fa tsy nahasakana ny fipariahany eny anivon'ny fiarahamonina manerana ny elakelan-trano manerana ny Nosy. Tsy hoe: mankasitraka ny fivarotana toaka gasy na tsia fa ny zava-misy dia tsy voafehy na sakanana aza, ka zava-dehibe ny fijerena ny lafiny lalàna hitondrana fanatsarana ara-kalitao, fa manamora ny fampidiram-bola amin'ny kitapombolam-panjakana ihany koa ny fampidirana ho ara-dalàna ilay seha-pihariana satria hatramin'izay dia nivadika ho bizina ho ana ampahan'olona ny fahatrarana toaka gasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT