Actualités

Lalŕna momba ny ady amin’ny fampihorohoroana: Mety holaniana amin’ny alalan’ny didy hitsivolana


  • Zoma 29 Janoary 2010

2 taona izao no nijoroan’ny Samifin na ny sampan-draharaha manara-maso ny famotsiam-bola. Tonga eto amintsika omaly ireo manam-pahaizana 4 avy amin’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana miandraikitra ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana

 

Tonga eto amintsika omaly ireo manam-pahaizana 4 avy amin’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana miandraikitra ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana, notarihan-dRtoa Delphine Schantz, izay nanao tomban’ezaka ny zava-bita teo anivon’ny Samifin  hatramin’izay sy nanome fiofanana ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy eo anivon’ny Cis, ny zandary, ny sampan-draharahan’ny fadin-tseranana ary ny sehatry ny fitsarana ihany koa ho fanatsarana ny asa. Fanampiana ara-teknika sy eo amin’ny sehatry ny lalàna no imasoana, hoy Rtoa Delphine Schantz, mba hampirindra ny lalàna manna-kery eto amintsika amin’ny lalàna momba ny famotsiam-bola iraisam-pirenena.
Mandringa ny asan’ny Samifin
Ankoatra ny ady amin’ny famotsiam-bola dia asa tokony hosahanin’ny Samifin ihany koa ny ady amin’ny fampihorohoroana sy ny famatsiana ireny asa fampihorohoroana ireny. Notsindrian’Atoa Razaranaina Jean Claude, tale jeneralin’ny Samifin, fa efa mitranga eto Madagasikara ny asa fampihorohoroana saingy tsy afaka mandray an-tanana ireny raharaha ireny amin’ny alalan’ny fanenjehana ireo tompon’antoka ny sampan-draharaha tantaniny noho ny tsy fisian’ny lalàna manome azy ny fanatontosana izany. “Efa nivoaka tamin’ny taona 2008 ny lalàna momba ny ady amin’ny fampihorohoroana, saingy hatramin’izao anefa dia tsy mbola manan-kery izany satria tsy mbola mivoaka hatrany ny didy fampiharana azy”, hoy Atoa Razaranaina. Soso-kevitra arosony àry mba hahafahan’ny Samifin mandray asa avy hatrany ny famoahana io lalàna io amin’ny alalan’ny didy hitsivolana noho ny fahabangan’ny fahefana mpanao lalàna izay tokony handany azy.
Lasa sakana
 Ity fahambangan’ny rafitra ity dia miteraka sakana amin’ny famitan’ny Samifin ny asany. Lasa miolonolona samirery mantsy isika kanefa tsy azo ihodivirana amin’ny famongorana ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. Notsindrian-dRamatoa Delphine Schantz fa tsy kely lalana ny ratsy ka ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria ireo vola maloto avy any ivelany ihany no misy manodina ka tafiditra amin’ny sehatra manara-penitra eto an-toerana. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Samifin kosa fa “rehefa mipetraka ny rafitra rehetra dia afaka miditra ho mpikambana ao anivon’ireo sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy fampihorohoroana rezionaly sy iraisam-pirenena isika toy, ny Gabao sy ny Egmond, izay ahafahana mifampizara vaovao sy traikefa” . Marihina fa i Madagasikara no nofidin’ny firenena mikambana ho firenena filamatra amin’ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT