Efa vita ny anjara asa ny Antenimieram-pirenena mikasika ny tolo-dalàna lah. faha 03-2019/PL mikasika ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy. Amin’ ny 19 jona izao no mandalo asam-baomiera eo anivon’ ny
Antenimierandoholona ka ny 23 jona izao kosa ny fandaniana azy ho lalàna. Raha tsiahivina, ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa no nandroso ity tolo-dalàna ity. Araka ny fanazavany nandritra ny fanolorana nataony tamin’ ny taon-dasa teo amin’ ny Antenimieram-pirenena mba hahalany ity tolo-dalàna ity dia “vokatra Malagasy afaka hiteraka asa sy fidiram-bola isan-tokantrano aminà tantsaha marobe eto Madagasikara. Maro ireo toerana tsy misy jiro. Midika tsy misy famoronana asa azo atao. Eo koa mamokatra ny olona amin’ ny fambolena kanefa noho ny faharatsian’ ny làlana dia tsy afaka mivoaka ireo vokatra indrindra ireo mora lo. Ny toaka gasy anefa dia ao anatin’ ireo vokatra azo terizina maharitra kokoa.” Tsara manamarika fa ny depiote Jao Jean avy any Antsohihy tamin’ ny taona 2000 tany ho any no nanolotra izy ity voalohany. Araka ny loharanom-baovao voaray, lalana sarotra no nandalovan’ ity lalàna ity vao afaka nandalo asam-baomiera teo anivon’ ny Antenimieram-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.