Nanomboka omaly 27 novambra ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na ny LFI 2025
eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Asam-baomiera 3 dia ny lafiny fambolena, angovo, ary ny fotodrafitrasa no voafaritra hatramin’ny omaly sy anio, ary ny 29 novambra izao, ka amin’io ihany koa no heverina fa handaniana ny LFI 2025 ao anatin’ny fivoriam-be. Isan’ny adihevitra mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny mikasika ny fampiakarana ny fampidiram-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny fampidirana hetra 0,5% amin’ny fifamindram-bola amin’ny alalan’ny finday na « Mobile money » ho an’ireo mihoatra ny 150 000Ar. Ireo orinasa mpanao izany izay tsiahivina fa tena manizingina an’io hiteraka voka-dratsy goavana ara-tsosialy sy ara-toekerana sy manimba ny ezaka momba ny fahalalahana ara-bola sy ny toekerana nomerika. ». Isan-taona, manodidina ny 200 miliara ariary no alefa amin'ny fianakaviana amin'ity sehatra ity, saingy amin'ity hetra ity, mety ho lany manodidina ny 100 miliara ariary izany, raha ny ampaham-panazavana efa netin’ireo orinasa. Nisy ny seraseram-baovao nivoaka vao andro vitsy niantso ireo manam-pahefana sy ireo solombavambahoaka hiady ny hanafoanana an’io sy hiaro ny zon’ireo mpanjifa. Andaniny, tsy tena mbola hita soritra ny mety hafitsoky ny depiote sy ny Fanjakana Foibe. Efa nisy kosa anefa omaly ny depiote lany tamin’ny lokon’ny fitondrana dia Atoa Imbiki Herilaza, izay naneho fa firenena Afrikanina maro no efa maka hetra amin'ny « mobile money », ary firenena Afrikanina maro no efa mampihatra ny fakana hetra amin'ny fandefasana vola hafahana mifehy ny tontolon'ny asa ihany koa io fakana hetra io. Tsara tantana sy tena misy tamberiny amin’ny vahoaka ve anefa ny tontolon’ny hetra eto amintsika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.