Nolanian` ireo solombavambahoaka tamin’ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ny lalàna lah. faha 004-2019 tamin’ny 02 oktobra 2019 mifehy ny fifandraisana amin’ny haino aman-jery, omaly teny amin` ny CCI Ivato.
Fandaniana fanindroany izao atao izao rehefa nasian’ ny Antenimierandoholona fanovana ny andininy miisa sivy (09) tao anatin’ izany lalàna izany. Anisan` izany ny fandrarana ny famoahan` ny mpanao gazety ny adihevitra, ny tatitra na zavatra hafa tapaka tamina fivoriana tsy azo atrehin` ny besinimaro eo anivon` ireo andrimpanjakan`ny repoblika, fanovana izay nampidirina tao amin` ny andiny fito vaovao, and. faha-6 amin` io volavolan-dalàna io. Noho izany dia miverina eny amin` ny Antenimierandoholona izany ity lalàna lah. faha 004-2019 mifehy ny serasera ity ary tsy maintsy miverina midinika ireo fanitsiana voalaza ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.