Actualités

Lalàna mifehy ny PAC « Mila hazavaina amin’ ireo mpisehatra nasionaly rehetra”


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Ireo fiovana lehibe naroson' ny Antenimieram-pirenena dia ny fanesorana ny fandikan-dalàna ara-toekarena sy ara-bola izay eo ambanin` ny fiahian` ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC),

  ny fanafoanana ny fanagiazana ireo fananana tsy ara-dalàna alohan' ny fiampangana ; izany hoe tsy giazana miaraka amin’ny fisamborana ilay olona varohirohy ny fananany fa miandry izay fanapahan-kevitry ny fitsarana. Eo ihany koa ny fampihenana ny fe-potoam-piasana sy fibaikoan`ny mpandrindra nasionaly sy ireo mpitsara. Ireo teboka telo lehibe ireo dia mendrika kosa fampahafantarana sy fanazavana amin` ireo mpisehatra nasionaly rehetra, hoy ny komity momba ny fiarovana ny fahitsiana (CSI). Mandra-pahatongan' ny fivoriana parlemantera manaraka dia hampiasaina hanombohana ity fifanakalozan-dresaka amin'ny governemanta sy ny parlemanta ity volavolan-dalàna ity mba handrefesana tsara ny ambaratonga fanovana toy izany, hoy ihany izy. Raha tsiahivina, ny 02 jolay lasa teo dia nandany, taorian' ny fanitsiana, ny volavolan-dalàna mifehy ny rafitra misahana ny ady amin` ny kolikoly (Pôles Anti-Corruption) ny teo anivon` ny Antenimieram-pirenena. Ny 3 jolay kosa dia nanapa-kevitra ny hampihemotra ny fandinihana azy amin' ny fivoriana parlemantera manaraka ny teo anivon` ny Antenimierandoholona.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT