Actualités

Lalŕna mifehy ny asa fanaovan-gazety Mba hifanaraka amin’ny zava-misy amin’izay


  • Alakamisy 24 Jolay 2014

Tao anatin’ny 10 taona teo izay no efa niadian-kevitra ny momba ny lalŕna mifehy ny asa fanaovan-gazety. Atrikasa marobe izay tsy nahitam-bokatra raha ny fahitana azy satria misy hatrany ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo samy mpikirakira vaovao na koa eo amin’ny mpanao gazety sy ny mpitondra fanjakana

Ny marina dia mitovy amin’ny sehatra rehetra hafa eto amin’ny firenena ny sakana mahazo ny tontolon’ny fikirakiram-baovao. Eo ny tsy fisian’ny lalàna mazava na ny fanitsahana izany tsotra izao ho an’ireo sokajin’olona mieritreritra ny tenany ho ambonin’ny lalàna velona. Zava-misy niainana teto Madagasikara rahateo ny nizorana tsikelikely tamin’ny fanalana ny sivana amin’ireo karazam-baovao notrandrahana sy navoakan’ny mpanao gazety. Tena adihevitra lehibe ankehitriny, ohatra, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona nateraky ny krizy nanomboka tamin’ny 2009 izay tsy mbola ahitana mangirana mihitsy. Resaka manan-danja mila jerena akaiky ihany koa ny mikasika ny fanagadrana ireo mpanao gazety manatanteraka ny asany izay manaratsy endrika ny demokrasia sy ny fahalalahan’ity sehatra ity eto amintsika. Inoana anefa fa hijery ny tena zava-misy marina ka hitondra ainga vao ny atrikasa fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ao Antsirabe mandritra ny 3 andro hifarana anio izay tsara fahatongavana tokoa amin’izao dingana saro-pady lalovan’ny firenena izao

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT