Actualités

Lalŕna mifehy ny asa fanaovan-gazety Ahomby ve ny dinika any Antsirabe ?


  • Alarobia 23 Jolay 2014

Nanomboka omaly talata 22 Jolay 2014 indray ny fandinihana ny lalŕn’ny asa fanaovan-gazety tao Antsirabe

Mpandray anjara maro toy ny tonian-dahatsoratra, mpamokatra fadaharana, tompona haino aman-jery marobe no mifamotoana tao amin’ny Arotel Antsirabe. Efa an-taonany maro moa no nandinihina ity raharaha ity, tamin’ny taona 2002. Efa nisy tamin’ny 2004 sy 2010, saingy hatramin’izao dia tsy mety tafavoaka hatrany. Raha ny nambaran’Atoa Ruffin Rakotomaharo, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety farany dia fanavaozana mba hampifanaraka ilay efa voaomana teo aloha, izay nambarany fa efa vita 85% teo ho eo ny tanjona. Mivoatra hatrany mantsy ny asa fanaovan-gazety, indrindra
hiditra amin’ny TNT isika amin’ny taona 2015 ka tsy maintsy atao ny fanavaozana ary kendrena mba ho vita ato anatin’ny 6 volana izany ary hatolotra ny Parlemantera amin’izay. Nambarany moa fa anisan’ny sakana ny lafiny ara-bola ka nampikatso azy. Ity dingana
manaraka ity dia ny Pnud no mamatsy vola ny famitana ny asa satria tsy maintsy misy mpanao lalàna mamadika izany hifanaraka amin’ny lalàna velona. Nambaran’Atoa Soley Georges Rakotonirainy, Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny serasera fa ny hanatsarana hatrany ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety no tanjona ka tsy maintsy havaozina sy ampanarahana ny toetrandro ny lalàna mialoha ny hamoahana azy. Ny alakamisy izao moa no hifarana ny fandrafetana ity lalàn’ny asa fanaovan-gazety ity. Ho hita eo ny fehin-kevitra hivoaka amin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT