Actualités

Lalana Mananara Avaratra-Toamasina Roa andro maninjitra no hanalana ny 260 km


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Tsy mba ny dahalo tahaka ny any amin’ny toeran-kafa eto amin’ny nosy no mampijaly ny vahoaka any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra Faritra Analanjirofo, hoy ny depiote Raharinirina Sidonie, fa ny lalana

. Roa andro maninjitra, hoy izy, no hanalana ny 260 km mampitohy an’i Mananara Avaratra amin’i Toamasina. Noho ny mbola  tsy fananan’ny fanjakana vola hanatanterahana ny asa fanamboarana vaovao (izay fantatra fa any amin’ny taona ho avy 2015 vao mety ho tonga) dia vahaolana hitanay fa mety ary tokony hatao, hoy ity solombavambahoaka ity,  ny asa fikojakojana ny lalana fara-faharatsiny hatramin’ny faran’ny taona 2014 izao (atao amin’ny alalan’ny FER)  ka ny vahoaka any an-toerana no angatahana hampisahanina izany mba hanala ny fahasahiranana ankehitriny. Voatery mampiasa hatrany ny vedety madinidinika ny mponina rehefa hiampita ny distrika manodidina mitondra ny vokatra amidy nefa dia maka risika be ireo olona mampiasa azy ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT