Tena nandray anjara feno tamin’ny asam-baomiera nandinihana ny volavolan-dalŕna fehizoro mahakasika ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM) ny sendikan’ny mpitsara, hoy ny Sekretera Jeneraliny Ernaivo Fanirisoa omaly teny Tsimbazaza, ary anisan’ny nitarika adihevitra tamin’ilay famerana ho 8 taona ny
fananan’ny te hirotsaka hofidiana traikefa teo amin’ny asam-pitsarana nataony sy nitondra fanitsiana tao anatin’ilay volavolan-dalàna naroson’ny filankevitry ny minisitra saingy dia lany soa aman-tsara tsy nisy nitsipaka ilay volavolan-dalàna. Tsy nekena ny 5 taona, ka diso fanantenana izahay SMM soloiko tena, hoy i Ernaivo Fanirisoa. Midika izany, hoy ity farany fa vao mainka ho ratsiratsy kokoa noho izay niainana teo aloha ity rafitra CSM ity satria dia be no hailika ka hanjaka ny antsoina hoe “parachutage”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.