Lalan-kizoran’ny Firenena

Mihamafana ny adihevitra hoe


  • Talata 24 Martsa 2026

hivoaka ny lalàmpanorenana sa tsia ?

Anaty vanim-potoana manokana na « période exceptionnelle » isika ankehitriny ka nahadiso ny PRRM ny fanarahana ny voafaritry ny lalàmpanorenan’ny repoblika fahefatra, hoy ny Antoko Politika Madio manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, araka ny tatitry ny filazam-baovao iray omaly. Milaza ity antoko ity, fa tokony hapetraka araka izany ny sata maha tetezamita an’izao fitondrana hirosoana amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena. 5 volana aty aorian’ny firodanan’ny fitondrana teo aloha sy ny nandraisan’ny mpitondra ankehitriny fahefana natolotry ny HCC no mametra-panontaniana ity Antoko tarihin’i Faniry Alban Rakotoarisoa ity hoe : ho tonga any amin’ny fanavaozana ve isika raha hanaraka ny repoblika fahaefatra ? Raha hanaraka ny lalàmpanorenena repoblika fahefatra isika dia ireo maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena, izay ireo mpiaradia amin’i Andry Rajoelina no maro an’isa, hoy ny fanamarihana. Raha hiverenana kely fotsiny ny tantara, dia nisy ny fanambarana nataon’ny miaramila notarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael teny ambohitsorohitra ny 11 oktobra 2025 fa mitsangana ny Fitondrana fanavaozana, rava ireo andrim-panjakana maro,… Nivoaka ny didin’ny HCC N°10-HCC/D3 ny 14 oktobra 2025 nanamarina fa banga ny toeran’i Andry Rajoelina, nangatahana hitondra ny Firenena ny Kolonely Randrianirina Michael, voatazona ny andrim-panjakana rehetra, tsy afaka mifanongana ireo andrim-panjakana,… Narahin’ny fianianana natrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny 17 oktobra 2025. Eo no manahirana amin’ny toe-draharaha satria amin’ny lafiny iray, vao mivoaka amin’ny lalàmpanorenana isika dia mety hilatsaka ny sazy iraisam-pirenena mangotraka ka hahazaka an’izany ve isika eo anatrehan’ny hoe ny 68% amin’ny vola sy fampiasam-bola hanodinana ny Firenena mbola tsy avy ato anatiny ? Raha hijanona amin’izao ho voavaha ve ny krizy marolafy ? Ny fikaonandoham-pirenena no mety hahafahana misafidy ny làlana tokony hizorantsika…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT