LALAN-KELY AKAIKIN’NY STADIUM TOAMASINA

Lehilahy iray mamoaka filahiana an-kalamanjana


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Nisahotaka ireo vehivavy sy tovovavy rehetra nandalo teny amin’ny lalankely akaikin’ny

Stadium Toamasina omaly Alarobia hariva tokony ho tamin’ny 04 ora. Nisy lehilahy iray mbola vao herotrerony tokoa mantsy voalaza ho nanao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Nipetraka teo ambony bisikileta izy raha araka ny loharanom-baovao azo no sady mamoaka ny filahiany tsy mitsahatra. Isaky ny misy tovovavy na vehivavy mandalo izy no manao io fihetsika io ka nitsoaka daholo iretsy voalohany. Betsaka moa ireo nilaza fa marary saina ity lehilahy ity. Nisy koa ireo niteny fa mamon’ny toaka izy. Tamin’ny ankapobeny anefa raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia olona ara-dalana tsara ity lehilahy ity saingy noteren’ny filan-dratsiny. Efa nandray ny andraikiny moa ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Tsiahivina fa voararan’ny lalana ary mampiditra am-ponja ny fanaovana fihetsika mamoafady tahaka izany imasom-bahoaka.
Pati
Legende : Mirongatra ny filana ara-nofo eto Toamasina arahin’ny tsy fandriampahalemana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT