Actualités

Lalan’i Sambaina-Faratsiho Vita ny fanavaozana


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana hatramin’izay iny lalana mampitohy an’i Sambaina Faratsiho mirefy 47 km iny, izay tsy vita tara hatramin’izao.

Aorian’ny filatsahan’ny orana moa, izay matetika manimba iny lalana iny, dia misy hatrany ny fanavaozana sy fanatsarana ny lalana mba ho azon’ny maro hifamezivezena tsy tapaka izany. Ny zoma 20 jona lasa teo dia noraisina vonjimaika ny fanamboarana izay nosahanin’ny orinasa Sahaza nandritra ny volana iray teo. Nojerena manokana tamin’izany ireo lalana tena nampiteny ny moana rehefa avy ny orana, toa iny faritra Kilaovalo sy Ambatondradama iny, ka amin’izao fotoana dia efa afaka misosa tsara avokoa indray ny fiara rehetra. Nambaran’Atoa Rakotomalala Jean Armand, Talem-paritry ny Asa vaventy Vakinankaratra fa amin’ny maha lalan-tany azy aloha dia tsy maintsy misy isan-taona ny fanamboarana toy izao nataon’ny Asa vaventy izao. Nomarihiny kosa nefa fa raha toa mipetraka ny fanajana ny sakana rehefa avy ny orana dia mety tsy ho goavana ny fanarenana ny fahasimbana. Tokony hisy, hoy izy fandraisan’andraikitry ny Distrika sy ny Kaominina mba tsy ho lany foana ny volam-panjakana amin’ny fanarenana lava.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT