Actualités

Lalamby Ampefiloha Nisehoan’ny halatra hafahafa


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Raiamandreny zokiolona iray no torana omaly maraina teny akaikin’ny lalamby Ampefiloha. Fantatra tamin’ny resaky ny manodidina fa avy nandray vola fisotroan-dronono ity raim-pianakaviana efa bebe taona ity

Lehilahy iray milaza fa mahafantatra azy no saika hanendaka ny vola ana hetsiny tao am-paosiny, miaraka amin’ny finday vao novidiana teny amin’ny «Petite Vitesse» Isotry. Tsikaritry ny zazalahy kely iray anefa izany. Nitantara ny zavatra hitany tamin’ireo olona nandalo teny an-toerana ity farany ka nisambotra avy hatrany ity ahiana ho olon-dratsy ity ny olona. Tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony ireo vola saika hangalariny rehefa nataon’ny mpandalo ny fisavana ny tany aminy rehetra. Fanapahan-kevitry ny nanatri-maso ny hitondra azy mirahalahy mianaka any amin’ny manampahefana akaiky teo. Tsy tanteraka anefa izany fa teny an-dalana dia niala tsimoramora ilay milaza ho mahalala ity raim-pianakaviana ity. Araka ny fahitan’ny olona azy dia nisotro zava-mahamamo ity lehilahy efa nahazo taona lasibatry ny fangalarana hafahafa ity satria dia sarotra ho azy tokoa ny namaly ny toeram-ponenany sy ireo fanontaniana hafa napetraka taminy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT