Actualités

Lalam-pirenena RNT23 Natao fitaovana politika hatrany


  • Sabotsy 13 Septambra 2014

Lalana mirefy 71km nefa diavina ora valo rehefa maintany ary matory an-dalana rehefa fahavaratra.

Fahoriana ny an’ny mponin’Anosibe an’Ala mandeha amin’io lalam-pirenena faha-23 vonjimaika io. Vita tototany miharo vato tsara izy io tamin’ny 2004 ary nisy hatrany fikojakojana nandritra ny telo taona nisesy taorian’io. Simba tanteraka ny lalana nanomboka tamin’ny 2011, nihitsoka any an-tenantenan-dalana hatramin’ny fiaraben’ny orinasa tokony hanao ny fikojana aza. Ireo kamiao mitaona vokatra sy zavatra ilain’ny mponina no mba mitondra vato hanentsemana ny lavadavaka indraindray. Ny Kaominina sy ny Distrika nanatsara ireo tsikalan-kazo amin’ny tetezana sasany tamin’ny martsa 2014 teo. Nisy ampahan-dalana 11km, miala avy ao Moramanga, mba nasiam-panamboarana taorian’ny antso nataon’ireo solombavambahoakan’Anosibe an’Ala sy Moramanga. Ivelan’io ampahan-dalana io anefa no tena ratsy na irony antsoina hoe “points noirs” irony. Distrika manana otrikarena maro anefa i Anosibe an’Ala. Mamokatra vary 10.000 taona isan-taona, mangahazo manginy fotsiny ny harena ankibon’ny tany sy ny vokatry ny ala.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT