Nanomboka ny fiandohan’ity volana septambra ity dia toerana sivy vaovao manamorona ny lalam-pirenena fahasivy amboarin’ny orinasa Sinoa « China Railway » amin’izao mandritra ny 36 volana, no rakotra tambajotra « Orange », dia ny ao Mangily Ifaty (misy mponina 10.220 sady toeram-pizahantany mahasarika vahiny maro), ny kaominina Ankilimalinika, Analamisampy, Antongo, Befandriana, Tsingorotelo, Antanimieva, Andavadoaka, Ankazoabo.
Fa ny kaominina Ankililoaka, Ambahikily, Morombe kosa efa nahazo tambajotra haingam-pandeha 3G. Tsy hitoka-monina intsony manomboka izao ary afaka hifandray amin’izao tontolo izao ireo tanàna maromaro amin’ny tapany avaratr’i Toliara hatrany amin’ny distrikan’i Morombe manomboka izao. Marihina fa tamin’ny taona 2013 dia efa rakotra tambajotra Orange ny lalam-pirenena fahafito sy fahafolo. Mandray anjara mafonja amin’ny fampiroboroboana ny tosika ara-toekarena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny orinasam-pifandraisana « Orange Madagascar ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.