Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fitaterana etsy Anosy ny tohin’ny tetikasa fanamboarana ny lalam-baovao mampitohy ny By Pass amin’ny Marais Masay.
Mizara telo goavana ny fanatontosana ity lalana mirefy 8,2 km ity. Ny dingana voalohany dia By Pass mitohy amin’ny RN2, avy eo RN2 mitohy amin’Ankerana ary ny tapany fahatelo farany dia Ankerana mankeny amin’ny Marais Masay. 63 tapitrisa euros no tentim-bidin’ny asa hanorenana ny “nouvelle rocade”. Hamatsy vola ny fotodrafitrasa ny banky eoropeanina momba ny fampiasam-bola (BEI) sy ny sampandraharaha Frantsay misahana ny fampandrosoana (AFD). Olona 1.000 mahery no tsy maintsy miala amin’ny tranony sy manome ny taniny vokatr’ity asa ity. Hisy, araka izany, ny vola tambiny omena azy ireo. Ny 89% n’ireo olona ireo no efa nahazo ny anjara volany hatreto. Tsy hanomboka kosa ny asa raha tsy tapitra mahazo ny volany ny rehetra. Manodidina ny 20 miliara ariary ny bolongam-bola hozaraina. Ny taona 2020 moa no heverina hovitaina ny asa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.