Actualités

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano


  • Alarobia 27 Mey 2020

Hita ny marainan'ny omaly 26 mey 2020 tamin'ny 6 ora ny vata mangatsiakan' Itompokolahy Tsilangoui Angelico, Zandary kilasy faharoa niasa tao amin'ny

Tobin-janam-patitra Sahavato any Nosivarika. Latsaka tao anatin'ny lakandrano Sakaleona Pangalana ny harivan'ny 23 mey 2020 izy io, raha handeha hody avy namita iraka arak’asa tany amin'ny fitsaràna Mananjary ireo zandary miisa telo ka nihazo ny lakandranon'i Pangalana niaraka tamin'ny lakana. Ratsy anefa ny andro ka rehefa nandalo sahabo ho tandrifin'ny kaomina Sahavelo izy ireo dia nibolisatra itompokolahy ka latsaka tao anatin'ny reniranon'i Sakaleona ary tsy hita nanomboka teo. Natao ny fikarohana niaraka tamin'ireo Zandary avy any Nosivarika sy Mananjary ary ny Fokonolona manamorina ny Pangalana, ka hita ihany izy, saingy efa tsy misy aina intsony. Nirary fiononana ho an'ny fianakaviana sy ny andiany niara-nihira taminy ary ireo mpiara-miasa rehetra ny zandarimariam-pirenena. Lavo teo am-perinasa izy ary ny Zandarimaria dia hitsinjo manokana ireo izay navelany. Any Sainte-Marie moa no fiavian’io zandary io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT