Actualités

Lakandranon’Andriantany Hanomboka amin’ny volana Jolay ny asa fanadiovana azy


  • Talata 01 Jolay 2014

Anisan’ny tena mampitaraina fatratra ireo mponina etsy amin’ny fokontany Cité Ampefiloha ny lakandranon’Andriantany. Ankoatra ny loto izay manimba ny maso mantsy dia tsentsina tanteraka ihany koa io lakandrano io ka mitobaka ety .....

ivelany rehefa fotoam-pahavaratra. Rehefa nanatona ny tale jeneralin’ny APIPA  Rateloson Philipe izahay  dia nambarany fa hanomboka tsy ho ela ny asa fanadiovana io lakandranon’Andriantany io izay notsindriany manokana fa tena andraikitry ny APIPA 100 %. Efa nisy ihany ny asa fanadiovana natao teny an-toerana saingy noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana dia nijanona tamin’ny fanalana ny fako sy ny tsikafona fotsiny izany, hoy izy. Ankehitriny, efa nahazo famatsiam-bola avy any ivelany izy ireo ka hanomboka amin’ny sabotsy 7 Jolay ho avy izao ny fanalana ny fotaka rehetra ao amin’io lakandrano io. Manodidina ny 800 tapitrisa Ar ny lelavola eo am-pelatanan’ny APIPA amin’izao fotoana raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny ihany, ho enti-manatanteraka ny asa rehetra mifandraika amin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT