Fatin-dehilahy iray efa simba no hita teny amin’ny lakan-dranon’Andriantany mandalo ao amin’ny Fokontany III G Hangar omaly maraina. Raha araka ny tomban’ireo nanatri-maso dia mety efa ho herinandro no nilon-drano tao ity razana ity saingy omaly vao hita.
Efa masaka avokoa mantsy ny tongotra aman-tanana raha araka ny fantatra. Mpiasan’ny SAMVA handeha hanadio eny an-toerana no nahita voalohany ny razana ka nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny teo anivon’ny Fokontany, ny BMH Isotry izay tonga avy hatrany nampiakatra ny razana....15 minitra teo ho eo moa vao tafakatra ny razana ary raha ny fahitan’ireo mponina azy dia tsy olona eny amin’ny manodidina ity lehilahy maty an-drano ity fa olona avy any amin’ny faritra hafa mihitsy. Ankoatra izay dia notombanan’ireo mponina eny an-toerana ho natory tamin’ny sisin’ity lakan-drano ity ihany koa izy ka rendrika ary nifatratra avy hatrany tany anaty rano, antony niteraka ny fahafatesany. Efa naterina eny amin’ny tranom-paty moa ny razana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.