Lakan-drano Vallée de l’Est Besarety

Tsentsin’ny tavoahangy sy maloto avy any an-tokatrano


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Mirotsaka 30 minitra monja ny ranon’orana dia efa dibo-drano iny

faritra Besarety sy ny manodidina iny amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Rehefa nojeren’ny Boriborintany fahatelo tarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel ny olana dia fantatra fa noho ny fahatsentseman’ireo lakan-drano ao an-toerana no mahatonga izany. Anisan’ireny ny Lakan-drano "Vallée de l'Est" eo Besarety sy misy ny fiangonana FPVM. Niara-nirotsaka an-tsehatra nanadio io tata-drano io izy ireo ny SMA omaly. Nambaran’ity lehiben’ny Boriborintany fahatelo ity nandritra izany fa toe-tsaina io. Ilana fanovana izany hoy izy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fako harina any anaty tatadrano. Tavoahangy plastika, miampy voridamba tsy ilaina intsony, maloto….no nodiovina tao anatin’ireo lakan-drano ireo izay marihina fa tena nandanian’ny roa tonta fotoana maromaro mihitsy vao vita. Miantso ny mponina rehetra mba ho tonga saina araka izany ny tenany fa tsy sanatria handrora mitsilany hatrany ka rehefa tonga any an-tokantrano ny rano maloto vao hikoropaka sy hanome tsiny ny hafa hatrany.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana natao teny an-toerana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT