Lakan-drano Vallée de l’Est Besarety

Tavoahangy plastika sy maloto avy any an-trano no nanentsina azy


  • Talata 30 Janoary 2024

Mirotsaka 30 minitra monja ny ranon’orana dia efa dibo-drano iny faritra

Besarety sy ny manodidina iny amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Rehefa nojeren’ny Boriborintany fahatelo tarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel ny olana dia fantatra fa noho ny fahatsentseman’ireo lakan-drano ao an-toerana no mahatonga izany. Anisan’ireny ny Lakan-drano "Vallée de l'Est" eo Besarety sy misy ny fiangonana FPVM. Niara-nirotsaka an-tsehatra nanadio io tata-drano io izy ireo ny SMA omaly. Nambaran’ity lehiben’ny Boriborintany fahatelo ity nandritra izany fa toe-tsaina io. Ilana fanovana izany hoy izy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fako harina any anaty tatadrano. Tavoahangy plastika, miampy voridamba tsy ilaina intsony, maloto….no nodiovina tao anatin’ireo lakan-drano ireo izay marihina fa tena nandanian’ny roa tonta fotoana maromaro mihitsy vao vita. Miantso ny mponina rehetra mba ho tonga saina araka izany ny tenany fa tsy sanatria handrora mitsilany hatrany ka rehefa tonga any an-tokantrano ny rano maloto vao hikoropaka sy hanome tsiny ny hafa hatrany.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana natao teny an-toerana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT