Vokatry ny fanorenana foto-drafitrasa tsy ara-dalana eny ambony lakan-drano no nambaran’ny
tompon’andraikitra eo anivon’ny SMA na ny Societe Municipal d’Assainissement ho antony miteraka ny tondra-drano eny Andravoahangy, Boriborintany fahatelo raha vantany vao avy ny orana. Tsy ampy ora iray mantsy ny fotoana hirotsahan’ny ranon’orana raha araka ny fitarainan’ny mponina eny an-toerana dia efa hatrany amin’ny valahan’ny fiara ny rano eny amin’ny arabe. Tototra daholo ihany koa ireo trano any afovoan-tanana rehetra, indrindra fa ny trano hazo hany ka misy hatrany ireo fianakaviana traboina. Mba ho fitsinjovana ireto farany dia fantatra fa nirotsaka an-tsehatra nanadio ny lakan-drano teny Andravoahangy ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SMA ary ireo fikambanana maro samihafa afak’omaly Sabotsy 11 Janoary. Narahin’ny fanentanana ny mponina mba tsy hanary fako anaty lakan-drano izany, indrindra fa ny tavoahangy sy ny harona sachet plastika. Mian-dahy miam-bavy ireo tonga nanatanteraka ny asa teny an-toerana izay samy niaiky fa be loatra ireo foto-drafitrasa miorina ambony lakan-drano ao amin’ity tanana iray ity ka tsy tokony hoampiana intsony.
Pati
Legende : Tondra-drano avy hatrany ny ety Andravoahangy na dia orana madinika aza !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.