Lahilahy nanolana an-janany 13 taona

Mbola tratra nihidy tao an-trano izy mianaka


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Raim-pianakaviana iray mitaiza ny zanany vavy vao 13 taona miaraka amin'ny vadiny,

izay tsy reny niteraka ilay zanany no nanolana ity zaza ity tao Ambohimandamina, Mahajanga, ka naiditra am-ponja vonjimaika, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Efa elaela no nanaovany izany herisetra izany saingy norahonany tsy hiantohany fianarana intsony ilay zanany raha mitantara ny zavatra ataon'izy ireo, hoy ny fanazavana. Nisy fotoana efa niresaka ny zava-misy tamin'ilay renikeliny ilay zaza saingy tsy nino izany ilay ramatoa. Niha nihombo hatrany ny filan-dratsin'ilay raim-pianakaviana ka notantarain'ilay zaza tany amin'ny renibeny ilay tranga. Io renibeny io no nampilaza ny mpitandro ny filamianana ka mbola tratra nihidy tao an-trano izy mianaka tamin'ny fotoana nahatongavan'ny polisy tany an-toerana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT