Lahatra Andriamahatsangy

«Tokony hahita vokatra isika


  • Alakamisy 30 Oktobra 2025

mialohan’ny faran’ny taona!»

Governemanta feno tekinisianina no nitsangana, hoy ny mpamakafaka politika, Lahatra Andriamahatsangy. Misy mpanao politika vitsivitsy ao, hoy izy, saingy mpanao politika hita hoe tsy maintsy ho anatin’ny endrik’ilay governemanta. Iny tsinona ilay tsy maintsy hametrahan’ny mpitolona fanontaniana hoe iza no nitarika ny tolona nefa toa tsy ao? Efa ao ireo. Manampy azy ireo kosa ireo tekinisianina izay tena vonon-kiasa ary hita hoe olom-baovao ihany koa, amin’ny ankapobeny, no sady tanora, hita taratra amin’ilay Gen Z ihany koa. Tanora no tena nitondra fanovàna dia ilaina hita koa izay. Avela hiasa aloha izy ireo fa raha ny endrika ivelany sy ny tekinika taratra dia inoana fa hisy ny vokatra. Ny endrika ivelany, iaraha-mahita fa misy goaika antitra na mpanao politika hatramin’izay ao. Ireo ilay nailikilika tany am-boalohany saingy tsy nisasaka akory moa ny tolona avy eo dia nantsoina daholo ny mpanao politika rehetra tsy an-kanavaka. Maro koa ny tanora Gen X, Y, Z anatin’ilay governemanta. Misy tena vao nahazo diplaoma vao haingana, tamin’ny taona 2024, dia efa lasa minisitra. Tokony hahita vokatra isika mialohan’ny faran’ny taona satria 2 volana no fe-potoana nifanomezana aloha! Mila mihazakazaka isika fa tsy afaka miandry. Afaka 6 volana, izany hoe, volana martsa na aprily any isika tokony efa hisy zavatra hita. Handalo fifidianana isika amin’ny volana may dia ho hita eo koa. Nametraka teboka miisa 6 ho laharam-pahamehana iny ny fitondràm-panjakàna dia ho hita hoe nanao ahoana ny fiasan’ilay governemanta? Hoavy ny fahavaratra dia tokony hivaha amin’ny ampahany izany izao ny resaka herinaratra sy rano. Eo koa ny fahasalamàna sy ny isan-karazany. Mialohan’ny faran’ny taona izany tokony efa hita ny vokatra fohy ezaka. 2 taona koa no fe-potoana nifanomezana amin’ilay tetezamitan’ny fanovàna dia ho hita eo, hoy hatrany i Lahatra Andriamahatsangy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT