LAFARININA VOKARINA ETO AN-TOERANA

« Tsy mihoatra ny 3500 Ar ny vidin’ny iray kilao »


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Manentana ny mpanjifa tsy ho diso safidy amin’ireo karazana lafarinina eny an-tsena

ny Talen’ny Varotra anatiny (DCI) eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, Andriniaina Randriamiaramahefa. Mampitandrina ihany koa ny mpivarotra amin’ny fepetra tsy maintsy ho raisina amin’ny mpanararaotra ny tenany. “145 000 Ar ny vidin’ny lafarinina iray kitapo amin’ny 50 kilao any amin’ny ozinina mpamokatra lafarinina eto an-toerana. Izany hoe : raha hampidirina ny masonkarena toy ny saram-pitaterana dia tsy mihoatra ny 3500 Ar ny kilaon’ny lafarinina ho an’ny eto Antananarivo”. Nambaran’ny Talen’ny Varotra anatiny tamin’ny fanazavana nataony omaly fa mahatratra any amin’ny 175. 000 taonina ny fitambaran’ny vokatra lafarinina avy amin’ireo orinasa roa any Toamasina sy Andranomanelatra ho amin’ity taona 2024 ity. Mamaly ny 75%-n’ny filàn’ny mpanjifa malagasy izany ka tsy tokony hisy antony hampiakatra ny vidin’ny lafarinina eny an-tsena. “Manoloana ny fahabetsahan’ny lafarinina vokatra eto an-toerana, raha hampitahaina amin’ny lafarinina nafarana avy any ivelany, dia tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny mpanjifa ny fidangan’ny vidin’ireo lafarinina nafarana”, hoy ihany ny Talen’ny Varotra anatiny, Andriniaina Randriamiaramahefa. Tafakatra 200 000 Ar ny iray kitapo amin’ny lafarinina nafarana avy any ivelany. Nazava koa ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanan’ny mpanao mofo matihanina (ABP) fa tsy miova akory ny vidin’ny lafarinina. Tsiahivina moa fa tena nahabe resaka teto amintsika ny fiakaran’ny vidin’ny lafarinina tato anatin’ny tapa-bolana izao, antony mampiakatra ny vidin’ny mofogasy sy ny ramanonaka ihany koa.
Pati
Legende : Andriniaina Randriamiaramahefa, talen’ny Varotra anatiny eo anivon’ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT