Ladoany sy ny tafika

Hanangana Akademian’ny Ladoany sy Sekolin’ny Etamazaoro


  • Zoma 15 Desambra 2023

Tontosa omaly alakamisy 14 desambra 2023 teny amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena

etsy Amparibe ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Fadintseranana Malagasy. Mivoitra ao anatin’izany fa hisy ny fanorenana ny « Academie des Douanes » na Akademian’ny Fadin-tseranana hatsangana ao Toamasina ary «Ecole d’Etat-Major » na Sekolin’ny Etamazaoro kosa ho an’ny eto Antananarivo. Hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana izany ny roa tonta. Zava-dehibe ho an’ny roa tonta ireo ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao satria hanankinana ny fanatsarana ny fanofanana ireo mpiara-miasa ankehitriny sy ny ho avy », hoy ny Jeneraly Josoa Rakotoarijaona, Minisitry ny Fiarovam-pirenena. « Tafiditra ao anatin’ny drafi-panavaozana eo anivon’ny Fadintseranana ny fanorenana ity toeram-panofanana manara-penitra ity », hoy kosa i Lainkana Zafivanona Ernest, Tale Jeneralin’ny Fadintseranana. Hanomboka ny taona 2024 ny asa ary vinanina ho tokanana ny 2026 ny « Académie des Douanes », hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT