Antontan-taratasy miisa 137 mikasika kolikoly niseho teny anivon’ny fadintseranana no nametrahan’ny mpiasan’ity farany fitarainana eny amin’ny fitsaran’ny
« Chaine pénale anti-corruption» saingy tsy mbola misy vita fitsarana hatramin’izao. Vola ho an’ny kitapom-bolam-panjakana mitentina 20 miliara ariary anefa ireo antontan-taratasy ireo raha vita tsara avokoa ka ahazoana rariny. Io no nambaran’ny tale iray eo anivon’ny ladoany nandritra ny fivorian’ny Sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola na Samifin, izay manomana ny fandraisana ireo solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena sy avy aty afrika mpanara-maso ny famotsiam-bola ary ny avy ao amin’ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena hanao fanaraha-maso ny fomba fiasan’ny Samifin eto Madagasikara. Nanambara kosa ny mpitsara iray avy ao amin’ny « chaîne pénale » fa noho ny fahasarotan’ny fanadihadiana sy ny fahalavan’ny fepetra tsy maintsy harahina no maha ela ny fitsarana raharaha ao amin’ity sampam-pitsarana ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.